VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 183 tapitrisa dolara ny vola mety ho azon’i Madagasikara ao anatin’ny Facilité élargie de crédit (FEC) sy ny Fonds pour la résilience et la durabilité (FRD) an’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Vita omaly ny iraka momba ny fanombanana fahatelo sy fahefatra ireo fandaharanasa vita. Mbola misy ny tetikasa mila jerena manokana mialoha ny hanolorana ny antontan-taratasin’i Madagasikara eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny FMI amin’ny volana jona.

Manao tohivakana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina taorian’ny fanambarana nataon’ny fanjakana momba ny fidirana amin’ny hamehana ara-angovo mandritra ny 15 andro. Mifanohana ireo mpisehatra mpamatsy herinaratra any an-toerana. Kendrena ny hamokarana 25MW sy hanohanana ny filàn’ny Jirama. Mifanolo-tanana ireo mpisehatra hanafainganana ny fanarenana ny tambajotra fitsinjarana.

Hanohana an’i Madagasikara sy hanamora ny fifampiresahana mba hanafoanana ny fampiatoana antsika eo anivon’ny Vondrona afrikanina i Maraoka. Nivoitra izany, nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny sy ny masoivohon’i Maraoka, Mohammed Benjilany, momba ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fifanakalozana ara-barotra.

Partager sur: