Raha ny fampahafantarana natao, omaly, momba ilay seho hotontosaina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, tonga omaly alina eto Madagasikara i La Fouine sy Gazo. Haharitra ora telo eo ho eo ity fampisehoana hotanterahina rahampitso ity. Hialohavana «Tremplin» sy fanentanana ary fanafanana ataon’ny Dj ny fiakaran’izy ireo ny sehatra. Fantatra, omaly, ihany koa fa mahatratra hatrany amin’ny 13 000 ny isan’ny tapakila efa lafo. Ho tazana hanafana ny sehatra ihany koa i Basta Lion, Zakai, Mbints JMSH ary ny Dj Natoo.
Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Nas Prod, mpikarakara ny seho sy ny Ocean trade. Fantatra fa ity orinasa ity no hiantsoroka ny fanomezana ireo fiarakodia raitra hitondra ireto mpanakanto iraisam-pirenena ireto mandritra ny fivahinianany eto Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto




