Lietna Kolonely Fils Emilio : ” Tsy miaro olon-dratsy ny zandarimaria”

Voalaza fa maty voadaroky ny zandary nandritra ny famotorana azy ny lehilahy iray, omaly. Nampiaka-peo ny fianakaviany, monina ao Marofinaritra. Nilaza ny avy amin’ny zandarimaria fa tsy miaro izay mihoa-pefy sy tsy manara-dalàna izy ireo.

Hanokatra fanadihadiana lalina momba ny tranga nahafaty olona tao amin’ny tanànan’i Marofinaritra, distrikan’Antalaha, ny kaomandin’ny vondron-tobim-pa­ritry ny zandarimaria ao amin’ny faritra Sava, ny lietnà-kly Fils Emilio, araka ny tatitra voaray omaly. Hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipika maha miaramila izy ireo. Tsy maintsy hatolotra ny fitsarana izay olona nahavanon-doza marina tamin’io vono olona tao an-toerana io. “Tsy miaro ny zandary tsy manara-dalàna sy mihoa-pefy ny zandarimariam-pirenena”, hoy ny fanazavan’io lietnà kolonely io. Tetsy ankilany, nentin’ny fianakaviany nitety tanàna ny fatin’ny lehilahy iray namoy ny ainy niharan’ny vono sy daroka tao Marofinaritra, omaly.

Nanary fitaovam-piadiana

Araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka ao An­ta­laha, i Julien Nasara, namoy ny ainy ny iray tamin’ireo olona 30 nosamborina tao­rian’­ny sakoroka niseho, fifandirana teo amin’ny zandary iray nanao fanamiana sivily sy ny namany. Niaraka nisotrosotro tamin’ny namany io zandary io kanjo nisy tsy fifankahazoana tampoka nitranga. Nivoaka tao amin’ilay toerana nisy lanonana ireo zandary ary raikitra ny ady. Very tampoka anefa ny basy teny aminy. “Nisy zandary hafa namany nisambotra ireo olona teo amin’io toerana io ary nisy olona hafa tsy naharaka na inona na inona voasambotra”, hoy ny loharanom-baovao. Nitady izay olona naka ilay fitaovam-piadiana izy ireo. Namoy ny ainy noho ny daroka mafy nahazo azy anefa ny lehilahy iray. Mitaky ny fampiharana ny lalàna ho an’izay nahavanon-doza ny fianakaviany.

Tsiferana R.

Partager sur: