Aiza ho aiza ny fanavaozana ny fanaovana politika? Tsy tokony hahamaika ny fifidianana, fa mila halamina, diovina, aloha ny tontolo politika sy ny fifidianana, raha ny fijerin’ny Komity mpanomana ny fanavaozana politika (KMFP).
“Tanjona ny hampitovy hevitra ny mpanao politika, ny fiarahamonina sivily sy ny mpanao politika. Izany dia hisian’ny fanovana sy fanavaozana ny fanaovana politika sy ny fifidianana eto Madagasikara”. Izay ny fanazavan’ny mpitarika ny Komity mpanomana ny fanavaozana politika (KMFP) sady mpandrindra ny vondrona Panorama, Randrianirina Jean Ignace, momba ny atrikasan’ny mpanao politika eny Mahamasina, mandritra ny roa andro izay nanomboka omaly. Adihevitra, omaly, ny momba ny fiatrehana fifidianana, izay tsy tokony hahamaimaika, araka ny nambarany. Mila lamina sy diovina aloha ny tokotany eo amin’ny sehatry ny fifidianana sy ny fanaovaana politika.
“Efa ampy ny 65 taona samy nanao izay tiany hatao ny mpanao politika”, hoy izy. Ankehitriny, efa tonga saina ireo mpanao politika heverina fa manana finiavana te hanova ny tantara eto amin’ny firenena. Izay no tanjona. Entina any amin’ny fikaonandoham-pirenena izay tapaka amin’ny atrikasa mandritra ny roa andro. Tsy maintsy hisy koa izay hojerena any amin’ny filankevitry ny governemanta na filankevitry ny minisitra izay tapaka. Ny fikaonandoham-pirenena no hamaritra azy.
Tsy ny fidirana ao anatina rafitra aloha no mahamaika, fa izay hatrany no nahasimba ny firenena hatramin’izay teto. Tsy inona fa ny fahamehana te hanao zavatra sy haka seza. Tsy tokony hahamaika izay, fa mbola ho avy ny fikaonandoham-pirenena. Aleo hifampidinika ny mpanao politika sy ny fiarahamonina sivily. Isaorany avokoa ireo mpanao politika na antoko manao hetsika any ambadika rehetra any, fa tsy maintsy eny amin’ny fikaonandoham-pirenena no hiafarany.
R. Nd.




