Nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena. Hanomboka amin’ny alatsinainy izao izany. Fihaonana voalohany eo amin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy ireo depiote.
Anisan’ny ho tafiditra ao anatin’ny lahadinika amin’izao fihaonana izao ny hanoloran’ny Praiminisitra ny Fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE). Eo koa ny momba ny fandaharanasa ho an’ny Fanavaozana. Manampy izany ny fandaniana ireo volavolan-dalàna samihafa.
Efa voafaritry ny lalàna rahateo fa tsy maintsy mampahafantatra amin’ny parlemanta ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny praiminisitra, telopolo andro aorian’ny fanendrena azy ho amin’izany toerana izany. Anisan’ny hafatra nampitain’ny filoham-panjakana tamin’ny fanendrena ireo mpikamban’ny governemanta ary tokony ho tafiditra amin’ny PGE ny fanohizana ny ezaka amin’ireo sehatra miantoka ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka. « Anisan’izany ny filàna fototra, toy ny sakafo, ny angovo, ny fandriampahalemana…Ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, ny fanarenana ny faritra Atsinanana. Ny ady amin’ny kolikoly… », hoy izy.
Fivorian’ny Antenimierampirenena irery ihany
Ankoatra izany, haka ny sezany amin’io fotoana io, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza koa ireo depiote vaovao. Miisa fito izy ireo, araka ny fanapahan’ny HCC ka hisolo ny toeran’ireo nesorina noho ny tsy fahatongavana mivory na koa ny nampidirana am-ponja ary koa voatendry ho minisitra.
Tsiahivina fa ny Antenimierampirenena irery ihany no hiatrika ity fivoriana tsy ara-potoana ity. Efa tapitra fe-potoam-piasana, ny janoary lasa teo, ny Antenimierandoholona.
Synèse R.




