Ceo Summit Indian Ocean : Mametraka ny sehatra tsy miankina ho ivon’ny fampandrosoana

Manao antso avo hanovana ny fijery ara-toekarena ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fanokafana ny “Ceo Summit Indian Ocean”, andiany faharoa, teny amin’ny Novotel Ivandry, omaly.

Nasongadiny fa « avokavoka mampiaina sy mampandroso ny firenena ny mpandraharaha ». Nifantoka tamin’ny zava-misy sy ny olana ary sakana iainan’ireo mpandraharaha ny lahateniny. Matetika miatrika toe-javatra tsy ara-drariny ka mahatonga azy ireo haha­tsiaro ho tsy misy mpiahy ny mpandraharaha, raha ny fanazavany. Notsindriny manokana fa tsy ampy tantsoroka sy tohana ny rafitra misy ankehitriny. « Marefo ny rafitra ara-toekarena ka mitarika amin’ny fanondranana akora fototra ary averina vidiana lafo rehefa voahodina any ivelany ». Ohatra amin’izany ny sehatry ny fambolena. Manana tany lonaka sy midadasika i Mada­gasikara nefa mbola nanafatra vary 800 000 taonina. Vokany, manodidina ny 250 tapitrisa euros no mivoaka isan-taona, raha tokony ho loharanom-bola miditra mivantana amin’ ny tantsaha malagasy izany.
« Mila sahy manova ny tantara ara-toekarena isika, sahy ha­nova ny fomba fijery, hifamelona sy hifampitsinjo, hanome lanja sy hasina ny Malagasy », hoy hatrany ny kolonely.

Mifanohana
Vonona hanolo-tanana ny sehatra tsy miankina ny fan­jakana hanohanana ny fandraharahana sy ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Mampirisika ny hanomezan-danja ny vita malagasy ihany koa ny Filoham-panjakana amin’ny alalan’ny fanohanana ny famokarana sy ny fanodidina eto an-toerana. Tanjona ny hampandray anjara ny mpisehatra ara-toekarena amin’ny fampandrosoana ny firenena. « Raha misy orinasa hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika dia tsy maintsy manao fifanarahana fa hametraka orinasam-panondranam-bokatra fa tsy ahondrana fotsiny ihany », hoy hatrany ny kolonely.

Henintsoa

Partager sur: