Nitazona dahalo: Zandary maty, latsaka tany anaty hantsana

Zandary am-perinasa iray namoy ny ainy rehefa latsaka tany anaty hantsana niaraka tamin’ny dahalo vao avy nosamborina. Tao amin’ny kaominina Fenoarivo, Ambato­finan­drahana, no nisehoan’izany omaly maraina. Nisolifatra, latsaka tany anaty hantsana, notatazan’ny vato. Maty tsy tra-drano izy sy ny dahalo iray izay nifatotra niaraka taminy. Tsy afa-nisaraka izy ireo. Amin’ny maha raindahiny azy, tsy maintsy nafatotra rojo vy tamin’ny zandary izy.
Marihina fa voasambotra ny 6 avrily ilay jiolahy rehefa nifampitadiavana nandritra ny fotoana maharitra. Saika hanomana fanafihana ny faha-9 avrily. Efa nanafina ny basiny tao amin’ny tananàn’Antsahamiady izy mialoha izany. Vokatry ny fitsongoana dia nataon’ny zandary, tra-tehaka ny Kalachnikov iray tany Ankaramena.
Noho ny andro maizina, niandry maraina ny mpitandro filaminana vao nikasa hitondra ity dahalo ity any amin’ny toby, sy hitady ny basy iray nolazainy fa nafeniny amin’ny toerana hafa.
Vao mangiran-dratsy, roso ny dia. Teny an-dalana, nikasa handositra ilay jiolahy. Voatazon’ilay zandary izy, kanefa nisolifatra ihany ka nivarina tany anaty hady lalina mirefy folo metatra mahery. Vaky loha ilay zandary. Tapataka ny ratsam-batan’ilay jiolahy. Samy namoy ny ainy!

Tsiferana R.

Partager sur: