Mirongatra ny fahitana fatin-jazakely menavava tato ho ato. Zaza vao teraka indray no nisy nanary tetsy Ambaniatsimo Tanjombato, omaly. Nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty harona plastika ilay zaza izay efa tsy nisy aina intsony. Nampandrenesina mahakasika ny tranga ny mpitandro filaminana eny an-toerana.
Manodidina ny 40 ireo kodiaran-droa (moto sy bisikileta) nianjera tetsy amin’ny arabe Akorondrano manoloana ny fiangonana Jesosy Mamonjy, omaly tapany maraina. Very tamin’iny lalana iny ny menaka nentina fiara be iray, omaly maraina, antony nahatonga izany.
Lehilahy iray nanendaka vangovangona mpandeha iray voasambotry ny polisy tetsy Behoririka omaly. Naterina tao amin’ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna izy taorian’izay. Efa malaza ratsy amin’ny fanendahana eny an-toerana izy io.
Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy tany Ambalamanasy Ambohijafy, Toamasina, faritra Atsinanana, afakomaly. Nisy andian-dehilahy maro nangalatra taribia mitondra herinaratra teny akaikin’ny seranam-piaramanidina. Nitsoaka izy ireo vao nahatazana ny polisy ka raikitra ny fanenjehana.




