Mitsapa kianja?

Raharaha izy ity! Fa tokony samy mahay maka lesona fotsiny tamin’izay niseho sy izay hiseho. Izay no azo amehezana ny fizotry ny raharaha politika eto Madagasikara hatry ny omaly. Manahirana ny miresaka politika amin’izao fotoana. Izay anontaniana na angatahana tafa ho an’ny mpamaky dia mitsipaka avokoa fa “mahamay”, hono, ny tanàna. Inona no ao ambadik’izany?
Ny zava-misy sy mitranga aloha dia efa mahavaly amin’ny ampahany ilay fanontaniana. Porofo iray ireny teny amin’ny Kianja 13 mey sy Ambohijatovo, omaly, ireny. Sambany tao anatin’ny tantaran’i Madagasikara sy ny hetsi-bahoaka no nisy fitondrana nidinana an-dalambe vao tsy ampy tapa-taona nijoroany. Vitsy ny olona, saingy ilay fahasahiana dia manaporofo fa misy mararirary!
Tsy azo atao ambanin-javatra ny tahaka ireny, natao ho fakana lesona sy hitondrana famakafakana ho an’ny tomponandraikitra ambony. Tsy natao handriandriana manana aretina fa hamohazana ny masom-panahy hitsaboana izay azo tsaboina, hanitsiana ny azo ahitsy. Tsy midika ho fanoherana fanjakana rahateo ny fanaovana izany. Arofanina no mahalaza azy tsara.
Manoloana izany, nanaitra ny valinteny an’avona nataon’ny manam-pahefana sasany. Mitaky fahaizana serasera anatin’ny maha matihanina tanteraka ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao. Ny vava tsy ambina sy ny fiheveran-tena tsy ho tratry ny aloka no nahatonga faharavana. Ny vorona ho jokoina rahateo anie tsy tabaina, hoy ny ohapitenenan-dRamalagasy izay.
Manana ny hasiny avokoa rehefa olom-pirenena. Maha te hidera ny ezaka vita, anefa, tamin’ny fifehezana ny fidinana an-dalambe. Tsy nisy ny hery famoretana. Nitolomana ny fahafahana maneho hevitra, nanamafy izany ny mpitondra. Nampiseho fa fanavaozana goavana ny maneho hevitra anaty filaminana. Samy nanaja tena ny rehetra!

r.r

Partager sur: