Efa an-dalana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora ny eo anivon’ny minisitera misahana ny Fanavaozana sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena. Itovizan’ ireo minisitera hevitra fa entina hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena ny tahaka izao ka manao tantsoroka amin’izany izy ireo. Nambaran’ny minisitra, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, fa resy lahatra amin’ny tanora ny tenany. «Tena manana ny toerany lehibe eto amin’ny firenena ny tanora ka rariny raha hikaon-doha manokana izy ireo», hoy izy, tetsy Ivandry, omaly.
Nampahafantarin’ny minisitra, Rasambany Alain Desiré, kosa ny fomba entina hanatanterahana io fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora io. Efa voarakitra tanaty antontan-kevitra izany. «Tanaty fomba fiasa mampiaty no nandrafetana izany antontan-kevitra izany ka nandray anjara tao avokoa ny solontenan’ny tanora, ny solontenan’ny minisitera samihafa ka anisan’izany ny minisitera misahana ny fanavaozana», hoy izy.
Manohana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora ny eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) ary nampiseho fahavononana izy ireo amin’izany. Anisan’izany ny fanoritana ny lalana tokony hizorana mba hahafahana mampirindra ny fanohanana ara-bola, araka ny nambaran’ny solontena maharitry ny Pnud, i Anthony Ngororano, tamin’izao fihaonana izao. Nanamafy ny avy amin’ny Unicef, Christine Jaulmes sy ny solontena maharitra lefitry ny Fnuap.
Tsiahivina fa hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny 14 avrily izao, ny fikaonandoham-pirenena, ho an’ny tanora.
Synèse R.




