Groupement de pétrolier de Madagascar (GPM): Mitohy tsy tapaka ny famatsiana solika

Miantso ny mpanjifa ho tony ny vondron’ny mpandraharaha ara-tsolika (GPM) manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana. Nivoitra tao amin’ny fanambarana navoakany, ny alakamisy teo, fa mandeha ara-dalàna ny fizarana solika ary hitohy tsy misy fahatapahana izany. Andrasana ny 13 avrily, hoy ny fanambarana ny sambo voalohany hitondra solika milanja 64 500 taonina (t) ka lasantsy (SP 95) ny 19 000 m3 amin’izany. Mbola hitondra solika milanja 64 500 t ihany koa ny sambo faharoa ho avy ny 5 mey. Ao anatin’izany ny lasantsy 22 000 m3. Amin’ny 31 mey ny fahatongavan’ny sambo fahatelo mitondra 19 000 m³ SP95. Na izany aza, mbola nilaharana ny fividianana lasantsy teny amin’ireo tobin-tsolika teto an-dRenivohitra sy ny manodidina, nanomboka ny talata teo.
Ankilany, mbola ampy mandritra ny 20 andro ny tahirina gazoala eto amintsika. Marihina fa niteraka savorovoro ta­min’ny mpanjifa sy ireo mpampiasa fiara ny fanambarana mahakasika ny hidirantsika ao anatin’ny hamehana ara-angovo navoakan’ny fanjakana.

Henintsoa

Partager sur: