VAOVAO TAMBATRA

Niampy 18 ireo mpandraharaha nisitraka fahazoan-dalana hanondrana lavanila mandritra ny taom-panondranana 2025-2026. Mpandraharaha iray hafa koa nahafeno ny fepetra takina amin’ny fanondranana jirofo any ivelany, hanampy ireo efa nahazo teo aloha. Miantso ny mpandraharaha haka ny fanamarinam-pahazoan-dalana hanondram-bokatra eny amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, manomboka
amin’ny alatsinainy, ny tomponandraikitra.

Hamafisina sy havaozina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Japon eo amin’ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga. Mpiara-miombon’antoka amintsika hatry ny ela tamin’ny fanohananana ny tontolon’ny jono i Japon. Efa nanofana ireo teknisianin’ny minisitera sy nizara traikefa maro samihafa amin’ny fitantanana ireo harena anaty rano isan-karazany ihany koa izy ireo.

Nisitraka fotodrafitrasa maharitra sy maoderina misy “forage” sy fitehirizan-drano hatramin’ny 10m³ ny fokontanin’Ambatomainty, boriborintany fahadimy. Tanjona ny hanampiana ny famatsian-drano ny faritra ka hisitrahan’ny mponina ny rano fisotro madio. Marihina fa anisan’ny fokontany lasibatry ny fahatapahan-drano matetika ny fokontanin’Ambatomainty.

Partager sur: