« Guitares de Madagascar » : Tafaraka an-tsehatra i Teta sy i Chrysanto

Tafaraka ny samy andrarezin’ny fitendrena gitara. Hiray sehatra i Teta sy i Chrysanto. Samy nitrandraka zavatra maro momba ny gitara sy ny hira malagasy.

Fampisehoana tsy fahita firy. Teta sy Chrysanto, samy havanana amin’ny fitendrena gitara. Samy nanao fikarohana lalina momba ny fampiasana sy famolahana ity zavamaneno vahiny ity ho azo hitendrena ny hira malagasy miainga avy any amin’ny fototra. Tafaraka eny an-tsehatra, ao amin’ny Institut Français de Madagascar, etsy Analake­ly, izy ireo ny zoma 17 avrily izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ao anatin’ilay seho « Guitares de Madagascar ».
I Teta, zanak’Ampanihy, niaina tao anatin’ny tsapiky. Niainga hatrany amin’ny fahazazany no efa zatra miatrika ireo lanonana samihafa tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny, niaraka tamin’ny rainy sy ny rahalahiny. «Mpi­tendry gitara manana rantsan-tanana sy fomba fitendry miavaka sy mahavariana», hoy ny Malagasy sy vahiny mpahay mozika nahita azy nitendry.
I Chrysanto, avy ao Ambo­vombe. Sokajian’ny mpahay mozika ao anatin’ny mpitendry gitara andrarezin’ny faritra atsimon’i Madagasi­kara. Nandalina sy mahafehy tanteraka ny rodoringa. Nampi­velatra izany tamin’ny fikarohana momba ny « folk » sy ny « jazz ». Nanomboka ny taona 2007, anisan’ny mpikambana tao amin’ny Ny Malagasy Orkestra. Efa niakatra sehatra iraisam-pirenena maro.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: