Heno sy hita anatin’ilay rakitsarin’ny «Voronkely hary elatra » an’ny tarika Feo Gasy i Rado Rajaonarison. Zanak’i Fafah Mahaleo izy ary anisan’ireo mandrafitra ny Mahaleo Taranaka. «Izay aho vao tafaraka tamin’i Rado fa tena latsa-dranomaso aho tamin’ny fandraisam-peo. Nandimby an-drainy izy na amin’ny feo na ny maha olona. Mino aho fa mizotra mankany ity fiarahana ity», hoy i Erick Manana, nandritra ny fihaonany tamin’ ny mpanao gazety, omaly.
Araka izany, anisan’ireo handrafitra ny tarika Feo Gasy eny an-tsehatra, mandritra ny seho hatao rahampitso, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, i Rado. Hanampy azy ireo koa ny tarika mpanao hiragasy Rasoalalao Kavia, tarihin’i Solofo Gasipira. «Tsy fantatro izay ho faharetany sy ny isan’ny hira ho vita, fa ny azoko antoka dia hahafinaritra, ho feno fihetseham-po io fotoana io. Hahatsiarovanay ihany koa ireo namana tato amin’ny Feo Gasy efa lasa mialoha, ry Rakoto Frah, Fafah, Bariliva ary i Sata izy ity», hoy hatrany i Erick Manana. Mbola eo kosa ireo namany hatrizay toa an’i Kolibera, Benny, Nini, Donné ary i Jenny, mazava loatra.
« Navadika ho tolo-tanana ho an’i Honorat ny hetsika, satria tena marary izy. Ny vola azo tadiavina foana fa aleo aloha manampy ny namana mila fitsaboana », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny Louvto Company, izay mpikarakara ny seho.
Zo ny Aina




