Fanafihana mitam-piadiana : Voaroba ny vola 17 tapitrisa Ar sy moto iray tany Toamasina

Mirongatra ny trangana fa­nafihana mitam-piadiana any amin’ny faritr’i Toamasina tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy mi­rongo fitaovam-piadiana indray ny lehilahy iray nikasa hanatitra vola tao amin’ny banky ao an-toerana ny sabotsy 4 avrily 2026, tamin’ny 9 ora maraina, lasa teo. Voaroban’izy ireo, tamin’izany, ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar sy ny moto iray marika Cygnus. Nivoaka ny tranombarotra iray teo amin’ny cité Advantista Amboloma­dinika ary nikasa hihazo ny banky ny lehilahy iray, mpiasa irakiraka, no narahin’olon-dra­tsy. Niton­dra moto izy ary na­petrany tao anaty seza ireo vola. Nosaka­nana jiolahy roa nanao taingin-droa tamina moto izy rehefa lasa lavitra ilay toerana ni­aingana. Nam­ba­nan’izy ireo tamin’ny basy poleta avy ha­trany. Nasainy niala teo ambonin’ny moto ilay lasibatra ary nanaiky moramora noho ny tahotra. Vokany, lasan’ireo olon-dratsy ny moto niaraka tamin’ireo volabe tao anatiny. Nikasa hanohitra izy saingy tsy sahy rehefa nahita fa basy tena izy no teny amin’ireo olon-dratsy. Nambaran’ity lasibatra fa basy mitovy amin’ireo fampiasan’ny mpitandro filaminana ny basy nentin’ireo olon-dratsy.
Nitsoaka nihazo ny lalana beton mivoaka any amin’ny tsenan’Ambolomadinika izy roa lahy mpangalatra taorian’izay.

Sajo

Partager sur: