Fanafihana teny Ankadinandriana : Vehivavy roa voaolana, lehilahy voatsatok’antsy

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny fianakaviana iray teny Soamonina, Ankadinandriana. Voaolana ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy. Notsatohana antsy ny lehilahy tompon-trano. Jiolahy iray voasambotra, afakomaly.

Voatafika ny tokantrano iray, eny Soamonina, kaominina Ankadinan­driana, distrikan’Avarandrano, ny zoma alina lasa teo. Na­olan’ny olon-dratsy ny renim-pianakaviana iray 44 taona, sy ny zanany vavimatoa 24 taona. Noleran’ny jiolahy ny antsy kosa ny raim-pianakaviana rehefa avy nanampatra ny filan-dratsiny tamin’izy mianaka ry zalahy. Lasan’izy ireo ny vola mitentina 2 000 000 Ar, miampy finday miisa efatra ary toaka sy bisky.
Ora efatra taorin’ny fanafihana no nahary antso ny zandarimaria avy eny Ankadinan­driana. Nidina nijery ny zava-misy avy hatrany, ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. Fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny jiolahy miisa efatra nisaron-tava.
Anisan’ny mpanafika ny vadin’ilay renim-pianakaviana taloha, izay efa nisaraka taminy. “Ity farany rahateo no nanolana azy mianaka. Mbola io jiolahy io koa no nampirisika ny namany hanindrona antsy ilay rangahy tompon-trano, vadin’ilay ramatoa amin’izao fotoana izao. Tadidin’ny lasibatra izy na dia nisaron-tava aza. Na­nampy betsaka amin’ny fikarohana ny jiolahy izany. Nisy iray efa voasambotra avy hatrany”, hoy ny fampitam-baovao.
“Nanamora ny fidiran’ny olon-dratsy ny hidin-tranon’ity fianakaviana ity izay somary ratsiratsy ka mora pitsohana. Tsy re tsaika rahateo ny fidi­ran’ny jiolahy ka efa samy na­matotra azy mianakavy kely vao taitra ny iray trano. Mito­kana rahateo ilay trano. Efa lasa lavitra ny olon-dratsy vao naharay ny vaovao ny mpitandro filaminana. 10 km mahery miala ny kaominina rahateo ilay tanàna lasibatra”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Mandeha ny fikarohana
Anatin’ny fikarohana ny olon-dratsy ny mpitandro filaminana ankehitriny. Efa voarakitra any amin’ny zandary rahateo ny sarin’ireo jiolahy. Anisan’ izany i Zidabe, mipetraka eny Ambohimanarina, fokontanin’ Ambohitsararay, kaominina Ankadinandriana. Nisy ny be midina nataon’ny zandary teny an-tranony tamin’ny faran’ny herinandro saingy tsy tratra tao izy. Marihina fa, nitsoaka nihazo hatrany amin’ny kaominina Tsiafahy ny jiolahy taorian’ny fanafihana.
Efa mandeha ny haza lambo ny jiolahy miisa telo, manampy betsaka amin’ny fikarohana ny fahatrarana ny iray tamin’ireo olon-dratsy, afakomaly.

r.r

Partager sur: