Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo jiolahy roa lahy nifanenjehan’ny polisim-pirenan tao amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina Ambalamanasy, Toamasina, ny zoma 1 avrily teo. Tsikaritry ny manodidina ny roa lahy naka vy teo amin’io seranam-piaramanidina io. Niantso ny manam-pahefana ireo nanatri-maso. Tonga ara-potoana ny polisy. Sarona teny am-pandidina vy teo amin’ny ilany avaratra andrefana ireo mpanao ratsy. Nahatazana an’ireo mpitandro filaminana, nitsoaka izy mirahalahy ireo. Nanampoaka basy ny polisy saingy nanohy ny diany ireo mpandroba. Vokany, lavon’ny bala ny iray tamin’ireo nangala-by. Tafaporitsaka tao anatin’ny haizina ny tovolahy iray hafa namany. Velon-taraina manoloana ireo mpangalatra vy ao an-toerana raha teo ny mponina. Alain’ ireo tsy valahara hatramin’ny vavahady vy.
Sajo




