Ambohidratrimoanala-Andriampamaky: Fatim-behivavy mampiahiahy tao an-trano

Nisehoana trangam-pahafatesana mampiahiahy tao amin’ny tokantrano iray, ao Ambohidratrimoanala, any Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana. Afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany no nahary antso mahakasika izany ny mpitandro filaminana. Nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny zandary sy ny mpitsabo avy amin’ny CSB 2. Hita tamin’izany ny fisian’ny razana efa mihorirana miankavia, mitsirara eo amin’ny tany.
“Mamorivory fotsy ny orony, misy ra mivoaka ny vavany. Mangana ny feny ankavia. Tsy nahitana fery na ratra hafa ankoatra izay”, hoy ny fampitam-baovao.
Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Andriampamaky, satria misy ny faty olona. Tsy nisy nanapitsoka ny vavahady. Tsy nisy nanakorontana ny entana tao an-tranony. Tsy nahitana diana fanampitsohana na fa­makiana ny varavarana. “Na izany aza, hita soritra fa novahana avy aty anatiny ilay varavaram-be, satria tsy mbola niverina tamin’ny laoniny ny karetsaka tamin’ny fotoana nanaovana ny fizahana”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Marihina fa tsy tao an-trano fa nandeha nampandihy tany amin’ny tanànan’Antsa­hatanteraka izany ilay rangahy vadiny. Efa ny zoma hariva mialoha ny fahafatesana izy no niala tao an-trano. Tsy ta­faverina izy raha tsy ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 4 ora, minitra vitsy mialoha ny naharaisan’ny mpitandro filaminana ny antso. “Nilaza ity raim-pianakaviana ity fa mbola nihidy tsara ny rojo vy ny vavahady tamin’ny fotoana nodiany. Nitsambika, nandingana ny tamboho izy rehefa tsy namaly ny antsoantsony ny vadiny. Gaga anefa izy fa nivaha ny varavarambe izay tsy nisy fanampitsoahana”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

r.r

Partager sur: