“Raha mieritreritra hanova ny firafitry ny andrimpanjakana izay takin’ny tanora amin’izao hoe: ovaina ny HCC sy ny Ceni ary ny Antenimierampirenena. Ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no hahazoana miady hevitra ny amin’izany, fa tsy an-dalambe, tsy any amin’ny tambajotran-tserasera, tsy any an-trano… “. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Desiré, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Fanambarana nataony manoloana ny hetsiky ny tanora Gen Z, izay mitaky fandravana andrimpanjakana. Any amin’ny fikaonandoham-pirenena no maka ny tsoa-kevitra avy any amin’ny vononana rehetra. Haravona ao anatina marimaritra iraisana izany. Hoentina any amin’ny rafitra mahefa izay tapaka. Aorian’izay vao mandray ny fanapahan-kevitra.
Mijoro hatrany ho mpanelanelana, ho sofina mihaino sy maso mijery ary ny hetahetan’ny tanora ny minisitera. “Fantatray, henonay, harahinay ny tsikera sy ny taraina amin’ny tsy fahatomombanana maro samihafa. Mihaino ny tanora isan’andro ny governemanta amin’ny alalan’ny minisitera. Tsy misy atao ankilabao na tsy misy mihaino. Laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra ny tanora. Izay no isintonany ny sain’izy ireo: ikarakarana ny fakan-kevitra isan’ambaratonga”, hoy ny minisitra.
Hatomboka amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny CCI, Ivato, rahampitso ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora, izay santatry ny fakan-kevitra manarena an’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny dingan’ny fikaonandoham-pirenena izany.
R. Nd.




