Soanierana Ivongo-Vahibe: Vita 80% ny lalana

Mandroso tsara ny asa fanarenana ny lalam-pirenena RNS5, miainga eo Soanierana Ivongo hatrany Vahibe. Mirefy 56 km ity lalana hamboarina ity, ka efa vita hatrany amin’ny 80% ny asa, taorian’ny fitsidihina tany ifotony, nataon’ny mi­nisitry ny Asa vaventy, Rafefimanana S. Richard, ny faran’ny herinandro teo. Hita tany an-toerana, fa voahaja ny fenitra sy ny kalitao amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny zava-bita. Nanome toromarika, ny orinasa CRBC, manao ny asa, ny minisitra ny hanafainganana ny asa sy ny hanohizana ny fanajana ny fenitra ary indrindra ny fe-potoana voarakitra
ao anatin’ny bokin’andraikitra. Marihina fa famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena no nahafahana nanao ity fanamboaran-dalana Soanierana Ivongo hatrany Vahibe ity.
Nilaza koa ny tenany, fa tsy hijanona eo Vahibe ity fanarenan-dalana ity, fa tsy maintsy ho karohina ny vahaolana ahafahana manohy ny asa amin’ny ampahan-dalana manaraka amin’iny RNS5 iny. Anisan’ny andrandrain’ny mponina sy ny mpampiasa lalana tokoa mantsy ny hanamboarana ny lalana hatrany Maroantsetra.

Njaka A.

Partager sur: