«Izahay tao! ». Afaka mirehareha any aoriana any ireo tanora marobe, tonga nanatrika ny fampisehoana nataon’i Gazo sy La Fouine tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Tsy latsaky ny 15 000 isa izy ireo no tonga nanatri-maso ireto mpanakanto malaza maneran-tany ireto. Hafanana efa niainany ny an’i La Fouine, izay efa teto tamin’ny taona 2013. Tsy tena tanora firy intsony ireo nankafy azy, kanefa mbola maro ireo nanaraka ireo hirany, toa ny « Papa » sy « Ma meilleure ». Nandona fo, ka tsy dia nanahirana ireo mpijery loatra na dia tsy tena nihira aza fa sarintsariny fotsiny i La Fouine.
Niakatra ambony bé kosa ny maripana vao niakatra ny sehatra i Gazo. Ireo tanora sy ankizy nameno ny kianja, samy nahay tsianjery ireo hira nalahany. Napetrany fa anarana tsy azo ihodivirana amin’ny rap frantsay koa izany Gazo izany, afaka milahatra amin-dry Oboy, Taic, sns, izay efa samy nandalo teto. Ny tena marina aza, i Gazo no tena nibata ny fampisehoana, nandrasan’ny ankamaroan’ny mpijery.
Fa sehatra efa nafana anefa no novantanin’ireto mpanakanto vahiny ireto. Efa nialoha lalana ireo vao misondrotra, nandresy tamin’ny fifaninanana «Tremplin Horizon Madagascar». Nanaraka avy eo ry Zakai sy Basta Lion, izay nametraka ihany koa fa manana alahatra ireo mpanakanto malagasy. Manginy fotsiny ny fanafanana nentin’ireo mpikosoka kapila malagasy. Miandry ny vahiny manaraka indray…
Zo ny Aina




