Homarihina amina hetsika maro ny faha-100 taona nahaterahan’ny mpanoratra Clarisse Ratsifandrihamanana. Nampisalorana ny anarany ny efitrano fampirantiana etsy Ambohidahy.
Nisokatra ho an’ny daholobe, nanomboka omaly, ny fampirantiana ny mombamomba ilay mpanoratra sy poeta Clarisse Randriamampandry Ratsifandrihamanana. Nampitondraina ny anarany rahateo ny efitrano lehibe fanaovana fampirantiana etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ho fanamarihana ny faha-100 taona nahaterahan’ity oloben’ny literatiora teto Madagasikara ity.
Ny sora-piainany, ny dingana vitany ary ny sanganasan’i Clarisse Ratsifandrihamanana no haranty mba ho fantatry ny taranaka aty aoriana. Nisy ny famintinana fohy efa nataon’ny solontenan’ny fianakaviana, ho an’ ireo nanatrika ny lanonam-panokafana. Nisongadina tamin’izany fa boky maherin’ ny 30 no nosoratany, ka ny 7 tamin’ireo nahazoany loka tamina fifaninanana avokoa. Nivelatra tamina lohahevitra maro izy anatin’ireo sanganasany, saingy nampiavaka an’i Clarisse Ratsifandrihamanana ny fifehezany, ny fitiavany aty ny fampitiavany ny teny malagasy.
Haharitra hatramin’ny 8 mey izao ny fampirantiana etsy amin’ny Trano Sary. Mbola maromaro kosa ny hetsika anatin’ny fankalazana, ka akaiky indrindra ny antsa tononkalo iarahana amin’ny Havatsa Upem, ny 22 sy 24 avrily izao. Hanaraka avy eo ny fampahafantarana ny mpanoratra amin’ireo hetsika ara-kolontsaina manodidina ny boky sy ny vakiboky.
Zo ny Aina




