Tsy mbola nisy teto amin’ny firenena hatrizay ny zava-misy ankehitriny, eto Madagasikara. Saika nitovitovy tamin’ ny fitondran’ny Profesora Zafy Albert ny zava-niseho, fa tsy tena mitovy. Ny an’ity farany, nambakain’ny olona tany anaty lalàna. Ny an’ireto mpanavao, ambana amin’ny fidinana an-dalambe sy ny fitakiana handravana ny efa.
Manoloana izany, samy mailo avokoa ny olon-drehetra. Ny mpitondra, iaraha-mahita fa mamikitra faran’izay mafy. Mampiasa ny hery sy fahefana eo am-pelatanany, ahafahana mahafaty momoka ny hetsiky ny tsy mitovy hevitra. Iaraha-mahalala fa misy ny fisamborana. Tsy azo ekena ny fanehoan-kevitra an-kalamanjana fa heverina ho fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, avy hatrany.
Izay anefa no nitolomana sy nanonganana ireo mpitondra teo aloha. Mila jeren’ny manampahefana akaiky izany. Ireny manko no sanatrian’ny vava ho zary singam-bolo andavo ny vositra. Tsy ampy ny vola sy ny basy, manoloana ny hasin’ny olombelona. Tsy ampoizina ny patsa iray tsy omby vava. Mety ny tanjaka anio no hitondra faharefoana. Mila mahay misintona lesona!
Mazava aloha ny lalàna amin’izao fotoana izao. Tsy misy afaka ny handrava na hanapaka ny zotra efa nosafidian’ny mpitondra. Hena ambavam-boay ve ho votsitra moramora? Tano rahateo ny azo fa sarotra ny mila! Tsy misy ankivadibadika izany. Samy mitazona ny rambony. Ny firenena rahateo efa mibanaka, ho an’izay eny amin’ny lohany ihany no tompon’ny lakile.
Tsy misy anjara ho an’ny hafa izany intsony, na potipotim-pahefana aza. Ny milaza fa tompon’ny fanavaozana ihany no afaka miteny sy mibaiko. Ireo zaza navelan-dRajoelina Andry, tsy maintsy manaraka ambokony. Sitrany ahay, tsy very seza sy afaka ny migoaka hatrany ny tombontsoa anaty fitondrana. Tsy misy miraharaha izay hoe “forongony” izany.
r.r




