Anisan’ireo voatazona eny amin’ny BC Anosy i Herizo Gen Z, araka ny nambaran’ny depiote Rajerison Antoine. Nanamarina ny zava-nisy teny an-toerana ny tenany, omaly. Nambarany fa ilaina ny fifampiresahana. « Hampitombo ny disadisa ny fisamborana ka takianay ny hamoahana ireo tanora, niara-nitolona hatrany am-boalohany ireo », hoy izy.
Hentitra ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. “Raisinay ho fanakorontanana tsy hanatanterahana ny fikaonandoha hisian’ny fifidianana, andrasan’ny vahoaka ny fitakiana fandravana ireo rafitra mijoro ara-dalàna”, hoy izy tamin’ny fanokafana ny fivorian’ny Antenimiera, omaly teny Tsimbazaza.
Tsy tokony hiverina amin’ny korontana intsony isika, araka ny nambaran’ny depioten’Isandra, Ralambozafy Raoto. Nohitsiny fa tsy vahaolana intsony ny korontana. « Ny fitadiavana vahaolana no tokony hatao manoloana izao fitakian’ny tanora (Gen-Z) izao », hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny nitolona ho an’ny fanovana koa ny depiote.
Anisan’ny nanaovana andrana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny herinandro teo ny tao amin’ny fokontany, Tomboarivo, Antsirabe I. Nialoha izany ny tao amin’ny fokontany Tsarafara sy Tsarafiraisana anatin’ny kaominina Ambano any amin’ny distrika Antsirabe ll. Nihainoana ny hetaheta sy ny feon’ny rehetra avy amin’ ny herivelona izany.




