Kolonely Randrianirina Michaël : “Mitana anjara toerana amin’ny fanavaozana ny tanora”

Ny hetsiky ny tanora no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Tsy vitan’izay, mitana anjara toerana amin’ny fanavaozana izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, nanomboka ny fikaonandohan’ny tanora.

“Mitana anjara toerana manokana ao anatin’ny rafi-panavaozana ianareo tanora, ary manana ny lanjany amin’ny fitarihan-dalana ny hoavin’i Madagasikara sy ny hoavinareo rahatrizay”. Io ny kabary fanokafan’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblika, ny ko­lonely Randrianirina Michaël, ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora teny amin’ny CCI, Iva­to, omaly. Tanora 600 mahery avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ny sehatra samihafa no nandray anjara. Tanjona ny fa­metrahana fanekena vaovao hifampifehezana sy hi­fampitondrana ary enti-manitsy ny lesoka rehetra mampitarazoka ny fandrosoan’ny firenena. Mendrika hoavy tsara lavitra no ho izao misy izao ny Malagasy. Mitaky dingana sy fomba fiasa ary fijery vaovao izay. Fitaovana ma­hom­by ha­natrarana an’izany ny tanora noho ny tanjaka sy ny angovo ary ny fomba fijerin’izy ireo.
Tokony hitodika amin’ny fa­nomezan-kasina ny firaisankinam-pirenena ny dinika. Mi­haino ny tanora ny fitondram-panjakana, ary misokatra amin’ izay mety ho vahaolana hiaraha-mijery ho fanavaozana an’i Madagasikara. Eo koa ny va­haolana mivaingana mamaha ny olan’ny tanora rehetra na aiza na aiza. Manam-pahen­drena izy ireo. Koa aoka izay hevitra maharesy lahatra no haroso sy tohanana. Tsy ha­naiky atao fitaovana hikatsahan’ny sasany tombontsoa ma­no­kana. Na fitaovana entina manakorontana firenena. Tsy tokony hahiana fa tsy antso an-tany efitra ireo taraina sy ireo hevitra haroso amin’ny fikaonandoha. Haha­ra­raoty izao fa fototra lehibe ary lalan-tokana mahomby ha­hazoana miara-manorina indray an’i Madaga­sikara. Tsy omena tsiny raha miteny hoe tsy araka ny nifanarahana na kivy. Misy dingana ny fanavaozana iaraha-ma­nao. Ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no hanovana izay tiana hovaina.

R. Nd.

Partager sur: