Raikitra ity ! Nisantatra ny fikaonandoham-pirenena ny tanora. Mariky ny firosoana tsikelikely amin’ny famitana ny tetezana miampita mankany amin’ilay fanovan-drafitra izany. Ivon’ny fanavaozana ny fanangonan-kevitra eny ifotony sy fahafahana mamadika izany ho lalana fotrotra ijoroan’ilay fanjakana. Handrasana ny fehin-kevitra mivoaka, ho fototry ny Repoblika fahadimy, tsangam-baton’ny fanovana.
Etsy ankilan’izay, efa mandeha tsikelikely ny an-dry zareo ao amin’ny minisiteran’ny Fanavaozana. Tsy handrenesam-peo ry zareo amin’ny Fiombonan’ny fiangonana na ny FFKM, izay nametrahan’ny Filoham-panjakana ny fitokisany. Asa aiza ho aiza tokoa ny fandehanan’ny any ifotony sy ambany ravin-kazo rehetra any? Mbola any tokoa ve sa maty momoka? Tsy misy serasera mahakasika izay.
Raha ny zava-misy hatreto, samy miandry izay ho fivoaran’ny raharaha ny olom-pirenena tsirairay. Misy dikany sy ilana fisainana lalina ireny hetsiky ny tanora ireny. Matoa misy ny mimenomenona, misy ny marary tokony hojerena. Tsy avona na fanaovana tsinontsinona no setriny, sahaza azy. Mila jerena akaiky ny fototry ny olana, ahafahana misoroka izay azo sorohina.
Tsy vahaolana ny teritery sy ny fifanenjehana, miafara amin’ny famaizana. Manome kisary ratsy sy miiba ny fanaovana izany. Tsy mbola maina rahateo ny ravina nihinana! Sanatria dia efa hifanipaka toa valala an-karona sahady. Mila ampitovizina ny tadin-dokanga, hampiverina ny fifampitokisana. Tsy ilaozan-dromoromo ny fiainana fa ilaina ny mifampiresaka an-databatra boribory.
Toy ny vao omaly ny fifanomezan-toky teny an-kianja. Nilokaloka an-drafahafahana sy rafahalalahana, izay nahazo sehatra. Tsy tokony hisy ny hiverin-dalàna, araka izany. Ilaina ny mifampihaino sy mifanoro, ary mifampitari-dalàna. Diso toerana ny fifaminganana sy ny fifamotehana amin’izao fotoana izao. Ilaina ny fifanoloran-tanana sy tantsoroka.
r.r




