FANTINA sy FINTINA

Mamerina ny zava-doza nataon-dRajoelina Andry sahady ny fitondrana, araka ny nambaran’ny mpitarika ny FMI, Ratsietison Jean Jacques. Nohitsiny fa mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana. « Tsy mety izao ka mitodika amin’ny filoha izahay avy aminao ny baiko misambotra ireo ankizy ireo. Ankizy nitolona ireo. Avelao haneho hevitra », hoy izy.
Namoaka fanambarana ny Gen Z Madaga­sikara ofisialy fa tsy tompon’andraikitra amin’ny fanakorontanana samihafa ary fanasoketana ny fivoizana ho nahazo vola amin’ny mpanao politika hanakorontanana izy ireo. « Efa fitakiana teny an-kianja ny fandravana Andrimpanjakana fa amin’ny fotoanany mba hisorohana ny korontana… », hoy izy ireo.
Nanao fanambarana ireo foko miisa 18 monina any Toliara. Natsidik’izy ireo tamin’izany fa hotanterahina eny Andaboy anio amin’ny 8 ora maraina ny « hifikifika » manoloana ny tsy fanomezan-kasina sy fanalikalikana ary tsy fanajana ny Filohan’ny Fana­vaozana Randrianirina Michaël.
Nambaran’ny mpanao politika, Beari Nirina Marcellin fa tena sahirana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Nante­riny fa anisan’ny manahirana ny mpitondra ny famahana ireo olana ara-politika eto amin’ny firenena. « Tsy misy hita ireo mpanolotsaina ara-politikany », hoy izy.

Partager sur: