Nosy Be: Efa miasa ny foibe herinaratra 3MW avy amin’ny masoandro

Toerana manan-danja ara-pizahantany i Nosy Be. Ilaina ny famatsiana angovo maharitra sy madio, toy ny ataon’ny Vondrona Filatex any an-toerana.

Tafapetraka any Kalampo Nosy Be, ny foibe ma­mokatra herinaratra manana tanjaka 3MW. Foto­drafitrasa, dingana voalohany, naorin’ny Vondrona Filatex, hamatsy ny tanànan’i Nosy Be. Mifanandrify tsara amin’ny vanim-potoana mahamaro ny vahiny mpizahatany, mba tsy hahatapaka ny famatsian-jiro ho an’ny mpanjifa. Tanjona, ny hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny gropy mandeha amin’ny solika, mampihena ny fanapariahana ny entona karbôna CO2. Mampihena ny masonkarena amin’ny famokarana herinaratra. Taratra hanehoana fa misy ny vahaolana maharitra amin’ny alalan’ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro, hampidirina anatin’ny tambajotran’ny Jirama. Hitarina any amin’ny tambajotra famatsiana herinaratra any amin’ny toeran-kafa ihany koa ity paikady mahomby ity.
Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filatex, orinasa tsy miankina voalohany mamokatra herinaratra eto Madagasikara, izay mitotaly 200 MW ny angovo vokarina amin’ny solika, ity natao tany Nosy Be ity. Mitotaly ao anatin’ny fandaharanasany ny hamokarana angovo madio sy azo havaozina, manana tanjaka 160 MW.

Hanome angovo madio

Nilaza ny tale jeneraly ny Vondrona Filatex, Hasnaine Yavarhoussen, fa endriky ny finiavanay hanohana ny fanovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ity fametrahana ny foibe any Kalampo Nosy Be ity. Nampiroboroboana ny tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa eo an-toerana. «Tan­jonay, ny hanomezana angovo madio, marin-toerana ary maharitra ho an’ny Mala­gasy sy ireo mpisehatra ara-toekarena», hoy ihany izy.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: