« Hiaka-dapa » : Holalovan’i Samoëla ny rakikira 11

Lava raha hotantaraina… Kanefa dia mbola tsy afaka ambavan’ny mpankafy rehetra ireo hiran’i Samoela tao ana­tin’ny «Mampirevy», rakikira voalohany. Manomana fo­toan-dehibe hitondrana an-tsehatra ireo hira rehetra nanamarika ny 30 taona i Samoëla, izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly.
«Raha ny rakikira 11 no hakana hira 5 avy dia efa tsy ampy ny ora 4. Fa efa misy rindra nomaninay mba ohatran’ny hoe hatao daholo ireo», hoy ny famintinan’i Samoëla azy. Mikasika ilay seho goavana «Hiaka-dapa», izay ha­taony 3 mey izao, eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina io. «Efa niara-niasa tao Antsahamanitra ary nety izany, ka nitsiry teo ny hevitra hoe aleo miaka-dapa miaraka. Tsiahivina fa efa ta­min’ny taona 1997 ny fotoana tokana nanaovan’i Samoëla seho tao, dia amin’ity indray», hoy ny nambaran’i Sylvano Ratsimandresy, avy ao amin’ ny SR Pro, izay mpikarakara.
«Manan-javatra haseho avokoa ny ekipa rehetra amin’ io. Ny fifankazarana eo amin’ny tarika iny efa mandeha ho azy satria tsy latsaky ny 100 isan-taona ny fampisehoana iarahanay. Fa fanomanana zavatra miavaka sisa no ha­taonay ka hitoka-monina kely mihitsy amin’io herinandro io», hoy i Samoëla. Nohamafisiny fa revy Samoëla ranoiray io, na misy sady maro aza ireo mpanakanto efa niara-nifampizara kanto taminy izay ha­sainy. Notsindrian’ i Samoëla fa anisan’ny nampaharitra ny tarika ny tsikombakomban’ny mpinamana. I Roger sy i Tiana Rainitelo izao efa hatramin’ny taona 1995 nanombohany niaka-tsehatra no efa teo.

Zo ny Aina

Partager sur: