Savorovoro eto amin’ny firenena ; Saika ho vonoina amin’ny “Drones” ny Kly Randrianirina Michaël

Nilaza ny Fiadidiana ny Repoblika fa nisy nitady hamono tamin’ny “Drones” ny Kly Randrianirina Michaël. Miantso fitoniana sy fifampiresahana ny mpitandro filaminana. ”Efa nalefa nody ny mpitarika Gen Z miisa roa”, hoy ny polisy.

Araka ny fampitam-baovaon’ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Re­poblika, Rahajasona Harry Laurent, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohitsorohitra, omaly, misy ny fikasana hifofo ny ain’ny filohan’ny Fanavao­zana, ny kolonely Randriani­rina Michaël, sy ny vadiny. Nanomboka tamin’izy nitaingina helikoptera ka nitondra basy tamin’ny fitsidihana ny Faritra Boeny izay resaka izay. Amin’izao, nanamafy izany ny zava-nitranga teny amin’ny trano fonenany, Ivandry, ny alin’ny 11 avrily. Nahitan’ny mpiambina “drone” fiadiana dimy teny ambonin’ny tranony. Afa-mahita amin’ny alalan’ny hafanan’ny vatana (infra-rouge) ny olona sy ny fihetsiny rehetra izany. Tanjon’ny mpandefa azy ireo ny manangona vaovao momba ny fiainan’ny filoha mivady, araka ny fanazavana. Mety ho dingana mialoha ny fanafihana izay. Ny fitaovana “anti-drone” no nahazoana namantatra azy ireo. Na izany aza, tsy fantatra na nilatsaka na tsia ireo “drone” na naverin’ny mpandefa azy, rehefa tsikaritra fa misy fiarovana teo an-toerana. Manomboka ny fanadihadiana.
Ankoatra izay, misy mikasa handoro ny Antenimiera­mpirenena amin’ny sabotsy ho avy izao, araka ny nambarany ihany. Efa nisy fizaram-bola teny Ambohipo sy Ankatso.

Miantso fitoniana ny mpitandro filaminana
Manoloana ny zava-misy miseholany eto amin’ny firenena, nanao fanambarana niaraka ny eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS), teny Ampahibe, omaly notarihin’ny minisitry ny Foloa­lin­dahy, ny Jly Razafitombo Ely. Nivoitra tao anatin’ny fanambarana nataon’izy ireo fa manam-paniriana ny hitondra fanavaozana ny tanora sy ny olon-tsotra sivily ary ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ ny hafatra mifanesy tato ho ato. Tsikaritra araka ny nambaran’ity manamboninahitra jeneraly ity fa misy ny fivoizana hevitra mampisara-bazana sy manohintohina ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisankinam-pirenena. Eo koa ny finiavana hanakorontana ny fiainam-pirenena sy handrava ireo andrimpanjakana mijoro amin’izao fotoana izao. Mian­tso ireo manam-pikasana hanakorontana mba hampitsahatra izany teti-dratsy rehetra izany.

Navotsotra ireo Gen Z
Tetsy andaniny, efa nalefa nody ireo Gen Z roa notanana teny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava taorian’ ny fanadihadiana azy ireo. Mbola tazomina eny an-toerana ny roa hafa, anisan’izany i Herizo sy i Nomena, raha ny fanambarana nataon’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, contrôleur général de police Ravony Jean Victor Tsara­monina, omaly, tetsy Anosy. Tsy marina ny filazana fa nisy fikasihan-tanana natao tamin’­ izy ireo, araka ny nambarany ihany. Nohamafisiny fa atao araka ny lalàna ny fanadihadiana rehetra ary tsy misy herisetra na fampitahorana atao amin’ireo olona hadihadiana.
Etsy ankilany, nandray fanampahan-kevitra ireo tanora mpitolona fa hanatsahatra ny fidinana andalam-be izay kasaina hatao ny 18 avrily 2026 ho avy izao.

R. Nd. Mino,
Jean Claude

Partager sur: