Manamafy ny fampiroboroboana ny niomerika ao Toamasina ny Orange Madagascar. Napetraka ao amin’ny tranombokin’ny Oniversiten’i Barikadimy, nanomboka ny 25 marsa teo, ny “Spot Orange” izay mahazaka fifandraisana hatramin’ny 1 000 amina velarana 100 m. Tanjona ny hanohana ny tanora sy hisitrahany mivantana ny tombontsoan’ny niomerika. “Miavaka ireo hotspot wi-fi ireo noho izy miantoka fifandraisana tsara kalitao mifanaraka amin’ny filan’ny mpianatra”, raha ny fanazavana voaray. Efa maherin’ny
1 500 ireo nisitraka izany ary maherin’ny 200 isan’andro ny mpampiasa azy. Tanjon’ny Orange Madagascar ny hanohana ny fampianarana ambony sy hitondra fanavaozana ho an’ny fahombiazan’ny mpianatra. Hapetraka tsy ho ela ao amin’ny tranombokin’ny Oniversite ihany koa ny Orange Digital Center, hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fidirana amin’ny niomerika.
Ankilany, nametraka “hubs numériques” miisa efatra mandeha amin’ny angovo azo havaozina, avy amin’ny herin’ ny masoandro ihany koa ny Oniversiten’i Toamasina. Tetikasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ ny Fonds DECIM ary iaraha-miasa amin’ny Mesupres, MEH, M’balik sy Yas. Manatanteraka izany ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT). Ahitana solosaina miisa 25 efa misy fifandraisana interneto avy ireo “hubs”, “wifi” maimaimpoana ho an’ny mpianatra raha solosaina miisa 250 naparitaka ho an’ireo “hubs” rehetra. Kendrena manokana ny hanamafy ny fanabeazana niomerika, hanamora ny fisitrahan’ ny tanora, indrindra ny tovovavy ireo fitaovana niomerika. Ankoatra izay, nizara finday miisa 3 315 ho an’ny mpianatra sy mpampianatra ary kits scolaires miisa 3 315 ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
Henintsoa




