Hikorontana ny famatsian-drano amina faritra maro eto an-dRenivohitra, anio. Hisy ny fikojakojana ny “Unité Accelator” ao Mandroseza I mba hiantohana ny faharetan’ny fotodrafitrasa, hanaraka ny fenitra amin’ ny fanadiovana rano sy hampitomboina ny vokatra. Manomboka amin’ny 8 ora maraina ny asa izay heverina haharitra valo ora. Voatery hatsahatra ny fihodinan’ny ampahany amin’ny milina ao an-toerana. Hiverina toy ny mahazatra ny famatsiana aorian’ny asa.
Marin-toerana ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) eny amin’ny kaominina Ambohidratrimo sy ny manodidina. Nidina teny an-toerana nitsirika ireo mpivarotra sy ny entana amidiny ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny DRCC Analamanga. Nampirisihana hametraka ny vidin’entana ho hitan’ny mpanjifa ireo mpivarotra. Nasaina hanatona mivantana ireo mpamokatra na mpanafatr’entana ihany koa ireo mpamongady madinika.
Nanome fampitaovana toy ny “moteur” entina hamahana ny olan’ny rano ao Morondava ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH). Ambany ny famokarana ka nahatonga ny minisitera nanolotra fampitaovana ho an’ny “pompe immergée” ho an’ny Jirama. Tanjona ny hanatsara ny famatsiana sy hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina.




