TARATRY ny KANTO

Hanamarika ny « International jazz day » i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny alarobia 29 avrily izao ny karakarain’ny Madajazzcar. Famaranana ny « Tremplin Madajazzcar » hihaonan’ireo nifaninana ka voafidy ho mendrika indrindra, avy eto Antananarivo sy avy any Atsirabe sy Toa­masina. Manomboka amin’ny 5 ora hariva eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo no hanatanterahina izany. Ny alakamisy 30 avrily, « Jam session ». Amin’ ny 6 ora sy sasany hariva, ao amin’ny Fara West eny Faravohitra. Amin’ny 9 ora sy sasany, ao amin’ny Le Garage Antsahavola.

Nanainga omaly ho any Inde i Honorat Fou Hehy. Raha ny vaovao nampitain’ny tambanjotran-tserasera samihafa, hiatrika fandidiany any an-toerana ity andrarezin’ny hatsikana sy fanentanana ity. Fantatra
fa mila fandidiana haingana ny tsy fahasalamana
(tsy mikoriana tsara ny ra mihazo ny fo) mahazo an’i Honorat.

Manomboka liana amin’ny mombamomba azy ny Malagasy. Mipoitra ny mpisikidy, ny mpanandro, ireo mpahay fomba amam-panao sy ireo mpahay zavapanahy maro. Tsy nanao todi-damosina tahaka ny nahazatra azy hatramin’izay intsony ny ankamaroan’ny Malagasy. Mifoha tsikelikely ilay fanahy maha olona
ao aminy. Misy ny velakevitra, maro ireo tsy tafiditra noho ny fahafenoin’ny efitrano. Misy ny fanatantera­hina fomba. Tonga maro eny an-tanindrazana ny taranaka. Mila fitandremana fatratra, anefa, ny tranga tahaka izany, satria, maro ny tsy ho faly. Tsy vitsy ireo efa donton’ny « ela ».

Partager sur: