Sonian’ny tarika Hasina ny hira mandona fo. Nankafizan’ny maro ny sanganasan’izy ireo izany, nandritra ny 30 taona. Tsy handalo fotsiny fa homarihina ny fankalazana, raha ny nambaran’ny tarika, omaly. Hatomboka amin’ny fampisehoana izay hotontosaina etsy amin’ ny Havoria Anosy io, ny alahady 19 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
« Fanokafana ny fankalazana io, hamerenanay an-tsehatra ireo hira rehetra nanamarika izay 30 taona izay. Hitohy ny fitsidiham-paritra aorian’izay », hoy ny nambaran’i José.
Efa talohan’ny taona 1996 no nanomboka ny tantaran’ny tarika Hasina. I Mahefa sy i Dah Kely no tao, ary ito farany no niantso an’i José. Lasa mpamokatra fampisehoana i Dah Kely taty aoriana, ary anisan’ny hikarakara ny fankalazana. Nihaona tamin’i Odeam i Mahefa sy José tamin’ny fankalazana ny faha-5 taona, ary tamin’i Sitraka kosa ny faha-10 taona. Efa nisy koa ireo namana nandalo tao amin’ny tarika, izay efa nodimandry toa an’i Faustin.
Samy mamoron-kira izy efa-dahy mandrafitra ny tarika Hasina ankehitriny. Tsy misy mivaona amin’ilay hira feno fihetseham-po, mifono hafatra, na lohahevitra tsotra izany na ara-pilazantsara. Ny country, folk, gasigasy no tena hironan’ny tarika Hasina, nametrahany ny anarany tao anatin’ izay 30 taona izay.
Zo ny Aina




