Tolo-kevitra amin’ny fikaonandoha: Hanitsy ny tsy fitoviana isam-paritra ny MMM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Anisan’ny hitondra tolo-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo.

Nivoitra tamin’izany fa mandala hatrany ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy ny MMM ary saro-piaro amin’ny firasaim-pirenena. «Ilaina ny fanitsiana ny tsy fitoviana misy eo amin’ny faritra, amin’ny alalan’ny famerenana ho laharam-pahamehana ireo sehatra mpamokatra. Fametrahana ny fitsinjaram-pahefana, mbola tsy tanteraka hatramin’izao, ka mampisy elanelana lehibe eo amin’ny vondrom-bahoakam-paritra», hoy ny birao politikan’ity antoko naorin’ Andrianainarivelo Hajo, ity. Anisan’ireo tolo-kevitry ny MMM ny fanavaozana ny rafitra mpikarakara ny fifidianana. Ahitsy ny lalàna mifehy ny Ceni mba hiantohana ny mangarahara. Tsy vahaolana ny fanoloana ny mpikambana fa mila fanavaozana izany mba tsy hiverenan’ny krizy ara-politika. «Tsy afaka hiantoka ny fahatokisana sy ny fahamarinan’ny fifidianana ny rafitra efa niteraka olana», hoy ihany ny MMM. Handray anjara amin’ny famolavolana ny Lalàm­panorenana vaovao ho an’ny Repoblika fahadimy koa izy ireo. Mifototra amin’ny fifandanjan-kery matanjaka. Fi­tondrana mirindra ary fahamarinan-toeran’ny Andrimpan­jakana, araka ny fanambarana hatrany.

Fikaonandoham-pirenena ihany…

Etsy andaniny, nohitsin’ny MMM fa hany lalan-tokana handehanana any amin’ny tena fanovana sy fanavaozana ireo rafitra ny fikaonandoham-pirenena.
Niaiky koa anefa ny antoko fa mbola betsaka ireo fanamby miandry izao fitondrana izao na eo aza ny ezaka. Anisan’izany ny fahasahiranana ara-toekarena, ny olan’ny tantsaha sy ny vidim-bary, ny vidin’ny lavanila, ny olan’ny angovo, ny asa fivelomana, ary ny sosialy amin’ny ankapobeny… « Mbola tsy voavaha tanteraka izany… Misokatra hatrany amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampihainoana miaraka amin’ireo hery velona rehetra izahay », hoy ny MMM.
Tsiahivina fa manohy ha­trany ny asa sosialy koa ny antoko ary manakaiky vahoaka hatrany. Anisan’ny farany teo ny fanampiana ireo traboina noho ny rivodoza Gezani.

Synèse R.

Partager sur: