FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana avy hatrany ny PDS vaovao eto Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Feno. « Hiezaka hamafa ireo tsy nety isika ary hanohy ny tsara mila hotohizana entina hampandrosoana ny tanàna », hoy izy. Nanteriny fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny ankolafin-kery rehetra ny tenany amin’ny fanantanterahana izany andraikitra izany.
Tsy ekena ary melohina tanteraka ny fikasana handoro ny Lapan’ny Antenimierampirenena, araka ny fanehoan-kevitry ny depioten’Antsirabe, Michel. Nante­riny fa sarobidy ny fananam-panjakana sy ny fananana hiombonana ka tsy mety ary tsy azo atao ny manimba azy ireny. «Tsy mety intsony ny korontana. Ilaina ny mi­fampiresaka», hoy izy.
Tsy hidina an-dalambe fa hanohy ny tolona, ireo tanora, araka ny fanambaran’izy ireo. Nisafidy hampiato ny hetsika fidinana an-dalambe saika hatao ny sabotsy ho avy izao izy ireo. Anton’izany ny fisian’ny andian’olona hanararaotra hamadika ny tolon’izy ireo ho fanonganam-panjakana. Na izany aza, mitaky ny hamoahana ny namany izy ireo.
Tokony tsy hiandry ho samborina ireo tompon’antoka amin’ireo fananam-panjakana very sy voaroba, araka ny nambaran’ny mpanao politika, Tabera Christian. Nohitsiny fa tsy tokony atao doka ny filazana fa hatao ny fanadihadiana. «Aoka ho tonga saina hamerina azy ireny ihany koa ireo tomponandraikitra ambony teo amin’ny fitondrana teo aloha», hoy izy.

Partager sur: