Seha-pihariana hasy : Ahodina eto an-toerana ny 15% ny vokatra

Miondrana avokoa ny ankamaroan’ny hasy eto amintsika. Mandray ny ankabeazan’ny vokatra ny nosy Maorisy sy i Sina. Ary mbola ny 15% ny vokatra no ahodina eto an-toerana. Nivoitra izany nandritra ny taom-piotazana hasy 2025-2026, tao Toliara. Seha-pihariana stratejika ho an’ny fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana ny hasy. Manodidina ny 5000 ireo mpisehatra ao anatin’izany ka mahatonga ny fanjakana mijery manokana ity seha-pihariana ity. “Tsapa, araka izany, ny filana orinasa hanodina avy hatrany eto an-toerana ny vokatra hasy hisian’ny sanda fanampiny”, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Andriamadison Haingotiana.
Ankilany, miantso ny rehetra hanaja ny lalàna sy ny fitsipika amin’ny fihariana izy. Tanjona ny hanome lanja ny sehatra ho an’ny Fampandrosoana ny toekarena. Nanolotra taratasy fankatoavana hanangom-bokatra sy fanazavana momba ny didim-pitondrana noraisin’ny faritra handrindrana ny fividianana hasy, nandritra hetsika tany tao Toliara.

Henintsoa

Partager sur: