Japon-OIM : Fampitaovana ho an’ny alika mpitsirika

Natolotra, omaly, 16 avrily, ny fitaovana maro, ilaina amin’ny fitaizana manokana ny alika mpitsirika, miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina. Ny sampana « Brigade canine » an’ny fadintseranana malagasy no misitraka azy ireo, fampitaovana avy amin’ny Masoivoho Japoney, amin’ ny alalan’ny Rafitry ny firenena Mikambana misahana ny fifindra-monina (OIM). Fitao­vana ahitana karazany maherin’ny 20, hitaizana ny alika hahay hitsirika fofona, kojakojam-pitsaboana samihafa, fitaovana fanaovana fanazaran-tena, sns.
Miisa 12 ny alika azon’ny Ladoany Malagasy, miasa eny Ivato sy Nosy Be. Eo am- panofanana ny any Toamasina, ary tohizana any Mahajanga. Nilaza ny tale jeneralin’ny La­doany, Randrianjafy Antoine, fa hisy ny hanokafana foibe fitaizana sy fampitomboana taranaka any Toamasina. Tanjona, ny hamoahana alika mpitsirika 50 isan-taona.
Nambaran’ny lehiben’ny iraky ny OIM eto Madagasi­kara, Roger Charles Evina, fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa fametrahana ny Rafitra mikirakira ny antontam-baovao sy ny fanadihadiana mahakasika ny fifindra-monina (MIDAS) ity natao ity. Nanamafy izany ny masoivoho japoney, Hitoshi Tojima, tohizan’i Japana ha­trany ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara, hanamafisana ny fiarovana ny sisin-tany, hiantohana ny fivezivezena.
Firenena efatra (Madaga­sikara, Côte d’Ivoire, Rwanda, Etiopia) no misitraka ny MIDAS, mitentina 3 tapitrisa dolara, ka 200 000 dolara ho an’i Madagasikara. Tena hi­fantohana ny fanatsarana ny fametrahana ny rafitra niomerika, ny fampiofanana ny mpi­asa ary izao fampitaovana ny fitaizana ny alika mpitsirika eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Njaka A.

Partager sur: