VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny Lalam-pirenena RN2, PK61 –PK 63 anio 17 avrily, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro hatramin’ny 2 ora tolakandro. Antony, hisy ny fanapoahana vato, ilaina amin’ny asa fanarenana ny lalana. Tsy misy ny lalam-piviliana azo ifamoivoizana mandritra io fotoana io. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitra eny an-toerana.

Liana amin’ny sehatry ny harena ambanin’ny tany eto amintsika ny Repoblika Tchèque. Fantatra fa efa vonona ireo orinasa avy any amin’ity firenena ity handraharaha eto Madagasikara sy ny fikarohana ara-jeolojika. Misy rafitra sy fepetra mifehy ny fandraharahana an-kibon’ny tany eto amintsika. Miainga any amin’ny fikarohana, mandalo dingana maromaro, vao miafara any amin’ny fitrandrahana.

Nihaona tamin’ny ekipan’ny Banky Iraisam-pirenena any Etazonia ny delegasiona malagasy, tarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Noresahana ny paikady fanovana napetraky ny governemanta malagasy, izay mifantoka amin’ny fotodrafitrasa. Eo koa, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola, indrindra ny sehatry ny angovo.

Partager sur: