Soamandrakizay: Fiara 4×4 nifatratra tanaty rano

Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’i Soamandrakizay sy Tsara­saotra, omaly. Latsaka tany anaty rano ilay fiara tsy mataho-dalana rehefa niezaka niala fiara iray nanapaka tampoka ny mpamily azy. Nirifatra sady nanapaka tampoka teo alohan’io fiara 4×4 io ilay fiara iray hafa, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpamily. Nentin’ny hatairana, niala an’io fiara nanapaka ny lalany io ity farany kanjo nifatratra avy hatrany tamin’ny rano nanamorona ny arabe. Tsy nivadika ny fiara saingy tavela tao anatin’io rano io. Namonjy ireo olona tao anatiny ireo nanatri-maso. Tsy nisy ny aina nafoy. Matetika miteraka ny lozam-pifamoivoizana an-dRenivohitra sy eny amin’ny lalam-pirenena ny fandehanana mafy ataon’ireo mpamily sy tsy fahafehezana ny familiana anatin’ny hatairana tampoka.

Tsiferana R.

Partager sur: