TSELATRA

Voasambotry ny polisim-pirenena nanomboka ny 11 avrily lasa teo, avokoa ireo jiolahy miisa enina. Nanafika sy niditra an-keriny tao amin’ny hotely iray tany Toamasina, ny 9 febroary 2026 lasa teo. Lasan’izy ireo tamin’izany, ny finday marika iPhone 8 Plus iray, solosaina, vola, firavaka volamena sy ny entana hafa. Naka sary tamin’io finday very io ireo jiolahy ka voatahiry sy voarain’ny tompon’ilay finday ny sarin’izy ireo. Nahamora ny fikarohana ireo olon-dratsy izany.
Lehilahy iray voasambotry ny Polisy noho ny fitazomana taolam-paty miisa 36, ny alakamisy 16 avrily 2026 tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany maraina teo. Tratra tany amin’ny fokontany Tsimafàna, distrikan’i Belo-Sur-Tsiribihina izy io. Nisy ny fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra nahafahana nisambotra azy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany sy mpiray tsikombakomba aminy.
Mpitsindrona sy mpivarotra zava-mahadomelina (roro) valo mianadahy voasambotry ny zandarimariam-pirenena tetsy Ankorondrano, ny 16 avrily lasa teo. Tratra nifoka sy nitsindrona tao anaty trano iray ny dimy tamin’izy ireo. Nahitana vehivavy sy zaza tsy ampy taona tao anatin’izany. Notanana am-ponja izy rehetra mba hanaovana famotorana. Nahitana rôrô milanja 50 grama efa voatsinjara anaty boaty kely tao an-tranon’izy ireo. Fonosana miisa enina feno vovoka cocaïne milanja 100 grama hafa ihany koa.

Partager sur: