Hetsika fidinana an-dalambe : Tsy mitovy hevitra ireo tanora Gen Z

Vaky sy mizarazara be ihany ny fanehoan-kevitr’ireo tanora Gen Z manoloana ny hetsika kasain’ny sasany amin’izy ireo hatao anio. Ao ireo miandany nefa koa misy ireo tsy mankasitraka.

Samy mandeha samy mitady. Tsy mitovy hevitra ireo samy tanora Gen Z amin’ity hetsika, kasaina hotanterahina anio, ity. Nanambara ny eo anivon’ny Vovonana « Collectif du mouvement Gen Z » fa hampiato izany hetsika izany aloha. Nanamafy izany koa ireo tanora eo anivon’ny Tanora aron’ny fanavaozana (Taf). Nambaran’izy ireo ho anton’ny fampiatoana izany fidinana an-dalambe, hiainga eny Ambohijatovo hatreny amin’ny kianjan’ny 13 mey izany ny fisian’ny andiana olona efa voaomana hamadika izany ho korontana sy ho tonga amin’ny resaka fanonganam-panjakana. « Vonona hanohy ny tolona efa natomboka izahay », hoy izy ireo. Anisan’ireo mitaky ny hamotsorana ireo mpitarika tanora Gen Z, mbola voatazona any amin’ny mpitandro filaminana, eo anivon’ny brigady misahana ny heloka bevava koa izy ireo. Anisan’izany ny Dr Karine sy Rija, vao nosamborina tamin’ity herinandro ity ankoatra an’i Herizo sy i Nomena, mbola voatazona any koa. Nanamafy izy ireo fa manaja ny filohan’ny Fana­vaozana ka antony nampiatoana ny hetsika izany. « Tsy manana olana aminy izahay fa ny fandravana ny rafitra sy ny Andrimpan­ja­ka­na kosa takianay hatrany », hoy izy ireo. Efa nisy rahateo ny fihaonana teo amin’izy ireo sy ny mpitondra. Nivoitra tamin’izany ny hanomanana ny fifanarahana eo amin’ny Gen Z sy ny fitondram-panjakana.
Fandravana ny Andrimpanjakana

Etsy andaniny, mbola mivoy anaty tambajotran-tserasera ireo Gen Z hafa ny amin’ny tsy fiovan’ny hetsika, anio. Anisan’ny anton’izany ary itovian’izy ireo amin’ny tanora namany ny fitakiana ny hamotsorana ireo naman’izy ireo sy ny handravana ireo Andrimpanjakana.
Tsiahivina fa efa nanao hetsika ny Gen Z ny 10 avrily teo. Niainga teny Ambohija­tovo izany ary tonga teo amin’ ny kianjan’ny 13 mey. No­takian’izy ireo ny handravana ny Antenimierampirenena sy ny HCC ary koa ny Ceni.

Synèse R.

Partager sur: