Tombana tsy mitombina

 

Aiza ho aiza ny hoe asan’ny governemanta vaovao amin’izao? Sarotra ny fandidiana na ny fandinihana. Tsy voafaritra mialoha izay soritr’asa mazava sy hentitra tsy maintsy vitain’ny minisitera tsirairay avy ao anatina fe-potoana mazava. Hatao tombantombana izay asa hatao sy mety ho vita? Arakaraka izay mahamaika ny vahoaka: famatsian-jiro sy rano, fandriampahalemana, famoronana asa, vidim-piainana… Mbola ndeha hitsapatsapa sy hanandranandrana amin’izany ve, sanatria? Mby amin’ny hoe eo am-pandrasana mahita ny atiny… Efa miova sy mihavao ny fomba fiasa sy fijery?
Tsy lavina, manao izay afany sy efany ny fitondram-panjakana. Tsy mora ny manao zavatra, tsy vita mora, tsy efa indray andro… Firenena no hoe havaozina, mby aiza ny dingana vita sy hita amin’izao? Ny ela manova zavatra… Eo ny vahoaka mitsara izay tsapany sy iainany isan’andro: efa misy fiovana sy fihavaozana ve? Na mila ovaina sy havaozina koa ny fomba fijery ny amin’izay: manaraka sy maharaka ny zava-misy, fa tsy faly mitsikera sy manome tsiny fotsiny. Mila mazava sy hazavaina amin’ny vahoaka izay tena atao sy ny dingana vita, izay mbola hatrehina… Ao anatin’izany izay manahirana sy mbola itadiavana vahaolana. Izay no hisian’ny fifampitokisana.
Ahoana marina, ohatra, ny fikaonandoham-pirenena? Toa ailika na ampiandrasina izany avokoa itsy sy iroa; eny, na izay tokony ho vita avy hatrany aza. Miara-miainga ve, ohatra, ity hoe fikaonandoha fampiharana eny anivon’ny fokontany: rahoviana, iza no hanao azy, inona ny dingana… ? Ny tsy fahazavan’ny raharaha na tsy fifankahazoana amin’izany no mahabe resaka. Resaka manidina mety manakorontana? Be koa ny tombantombana etsy sy eroa, misy tsy mitombina: mila hazavaina…

R. Nd.

Partager sur: