Efa eto ireo mpikarama anady Frantsay miisa 10, araka ny nambaran’ny mpanolotsain’ny filohan’ny Fanavaozana, Harifidy Ramandraibe. Tonga ny 8 janoary teo izy ireo ary voalaza fa hiverina avy hatrany. « Voamarina anefa fa mbola eto izy ireo. Voalaza koa fa miafina amin’ny maha mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana Frantsay azy izy ireo », hoy izy.
Nalefa, afakomaly any Tsiafahy ny Kly Rakotomamonjy Patrick rehefa voasambotra teny Amoronankona. Nohadihadian’ny zandary teny Fiadanana avy eo ary nalefa nogadraina vonjimaika any Tsiafahy. Voasambotra koa ny vazaha iray, miaramila Frantsay teo aloha ankoatra ireo Malagasy miisa efatra, ahina ho nikasa ny hifofo ny ain’ny filoha.
Mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’ireo nandratra mpanao gazety ny eo anivon’ny Komity vonjimaika mitantana ny Holafitry ny mpanao gazety (CTOJM). Nanangom-baovao tamin’ny hetsiky ny mpivarotra tetsy Behoririka izy mianadahy izao niharan’ny herisetra izao. Nohelohin’ity Komity ity izany ary itakian’izy ireo ny marina.
Tsy mivaona amin’ny tolona, fanovana rafitra amin’ny alalan’ny fikaonandoha, ny Tanora aron’ny fanavaozana (Taf), araka ny nambaran’izy ireo, omaly. Nohitsin’izy ireo fa fitaka ny fampirisihana ny filoha hanova rafitra mialoha. Takin’ny Taf koa anefa ny hamotsorana ireo namany, mbola voatazon’ny mpitandro filaminana.




