Salon de la créativité Voatra : Vonona handraharaha eto amintsika ny maraokanina

Soa fanararaotra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny « Salon de la créativité Voatra », andiany faha-12. Vonona hanohana ny fandraharahana malagasy hampiasa vola eto amintsika i Maraoka.

Hanampy antsika hitrandraka ny tsena maraokanina sy hanokatra lalam-barotra any an-toerana ny Salon de la Créativité Voa­tra, andiany faha-12. Hetsika atao mandritra ny roa andro etsy amin’ny Novotel Ivandry. Nilaza ny filohan’ny Anteni­mie­ran’ny Varotra sy ny In­dos­tria eto Antananarivo (CCIA), Razafintsalama Gil, omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry, fa “hojerena manokana ny hampivelarana ny fifanakalozana sy ny fampiasam-bola eo amin’ny firenana roa tonta. Singanina manokana ny to­hana ho an’ny mpandraha­raha madinika sy salantsalany (PME) mandraharaha eo amin’ ireo sehatra stratejika mba hahafahana mampiroborobo ny famokarany sy hipaka mivantana amin’ny toekarem-pirenena. Ankilany, hanohana ireo mpandraharaha ny CCIA hampivoarana ny lalam-barotra, ahafahana mamaly ny tototra sy tinady takin’ny tsena maraokanina. Firenena ma­tanjaka sady manana loharanon-karena mifameno amin’i Madagasikara i Maraoka, nahatonga azy nantsoina ho vahiny nasaina manokana. Efa mivoatra tanteraka ny sehatry ny banky, ny niome­rika, ny fahasalamana, ny fizahantany izay azontsika hiaraha-miasa.

Fifanarahana
Navoitran’ny masoivoho Maraokanina, Mohammed Benjilany fa “laharaham-pahamehana ireo soa fananararaotra hampandrosoana ny toekarena sy hampiroborobo ny fifanakalozam-barotra”. “Hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta hampandrosoana ny sehatra tsy miankina”, hoy ny filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Infostria ary ny tolotra (CCIS) any Rabat-Salé-Ké­nitra, Hassan Sakhi. Sehatra isan’ny mahasarika ireo mpam­piasa vola maraokanina ny sehatry ny fambolena mito­dika amin’ny tsena, ny an­govo, ny fahasalamana sns. Lohahevitry ny hetsika amin’ ity taona ity ny fitrandrahana ny tsena iraisam-pirenena.

Henintsoa

Partager sur: