BGFI-Airtel Money: Azo atao ny famindram-bola amin’ny finday

Natao sonia, ny 16 avrily teo, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny banky BFGI Madagasikara sy ny Airtel Money. Fia­raha-miasa mifantoka amin’ny fampiasana ny tolotra MBan­king, azo hamindram-bola eo amin’ny roa tonta. Fomba tsotra, haingana ary azo antoka amin’ny fifamindram-bola, ampia­sana ny finday. Ho an’ny Airtel Money mankany amin’ny kaonty BGFI, tsindriana ny *436*5# no fidirana amin’ny fampiasana azy, ary arahina ny toromarika amin’ny dingana hatao amin’ny famindramam-bola. Miditra ao « application » Airtel Money kosa ho an’ireo manana kaonty BGFI.
Nilaza ny tale jeneraly ny Airtel Money, Andrianalisoa Heritiana, fa tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fikirakirana ara-bola niomerika ho an’ny rehetra eto Madagasikara ity fiaraha-miasa ity. Nanamafy izany ny tale jeneraly, ny BGFI, Antoine Evrad Evouna Ossi, fa tsy sahirana manatona masoivoho intsony ny mpanjifa tsy ankanavaka, ahazoana tombony amin’ny fotoana. Nomarihiny koa, fa mbola hisy tolotra vaovao hafa, hanohizana izao fiaraha-miasa izao.

Njaka A.

Partager sur: