VAOVAO TAMBATRA

Miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha eto amintsika taorian’ireo filaharambe teny amin’ny tobin-tsolika, ny herinandro teo. Nanahy mafy ny fama­tsiana ireo mpampiasa fiara ka nisy ireo nampiasa ny tahiry teo am-pelatanany nentina nividianana solika. Nisy ihany koa ireo nanararaotra nanao varo-maizina ka nampakatra hatrany amin’ny 12 000Ar ny litatry ny lasantsy.

Milanja 200 taonina (t) ny vary akotry novi­dian’ny orinasa SPM (State Procurement of Madagas­car), ho fanohanana ireo tantsaha ao amin’ny faritra Alaotra. Ny 80 t nalaina tao amin’ireo mpamboly avy ao Ambatomainty raha 120 t kosa nolajaina tao Amparafa­ravola. Tanjona ny hitondram‐bahaolana manoloana ny fitobaky ny tahiry sy ny vokatra misy amin’izao fotoana.

Tsara ny vokatra ho an’ireo vondron’olona ifotony mipetraka manodidina ny faritra arovana Amo­ron’i Onilahy, ao amin’ny faritra Atsimo andrefana. An-jatony ireo tokantrano nanitatra ny fidiram-bolany, zava-maniry an’arivony no vokarina isan-taona. Mihatsara ny ala ary miverina tsikelikely ny karazam-biby ao an-toerana. Vokatra azo taorian’ny fanamby napetraka niarahana niasa tao Amoron’i Onilahy ho fiarovana ny natiora sy ny zava-manan’aina nandritra ny 11 taona.

Partager sur: