Saron’ny polisim-pirenena tetsy Ambatomalaza Alasora, ny 16 avrily 2026 lasa teo, ny tambajotra, ahitana olona efatra, mampiasa sy manararaotra vehivavy hanatanteraka fihetsika mamoafady amin’ny alalan’ny internet. Amidin’izy ireo 50 dolara amin’ny vahiny ny horonantsary iray manodidina ny 20 minitra. Saingy, 10 dolara ihany no raisin’ireo vehivavy isan-kerinandro. Loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo no nahafantarana ny tranga. Nosamborina izy ireo ary nentina teny anivon’ny biraon’ny polisy.




