Mila mahay mandanjalanja !

Asa ! Izay tokoa ve no atao hoe politika? Mampametra-panontaniana ihany ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana mijoro amin’izao fotoana izao. Tena mitobaka izaitsizy ny vola. Miraradraraka ny nofon-kena mitam-pihavanana am-polony tapitrisa Ariary, zaraina etsy sy eroa. Mahazo vahana tanteraka aloha ry zareo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy rehetra any.
Tena ampihantaina fatratra ny vahoaka.
Etsy ankilan’izay anefa, toa hadino ny mponina any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy. Mbola tsy misy miarina hatramin’izao ny fotodrafitrasa sy ny herinaratra, navelan’ny rivodoza. Efa roa volana aty aoriana, tsy hita be ihany izay fanarenana. Efa manomboka manangana saina fotsy, mariky ny faharesena ny mpandraharaha. Tsy mihodina intsony ny orinasa ka mety hiafara amin’ny fandroahana mpiasa.
Sanatrian’ny vava ho indroa na intelo mahita ny maizina toa tain’omby asesika an-davaka ny mponin’i Toamasina. Tsy manana hisarangotana, fa miandry mana milatsaka sy fanampiana mitsipotipotika. Mifanindran-dalana amin’izay anefa ny “ fetibe”. Lanonana sy vono omby, miharo fizaran-javatra be dia be. Toa mandatsa ny fahasahiran’ny sasany raha hatao fijery “sadasada”. Tsy fialonana akory, fa fanamarihana ihany.
Angaha hita ifanomezan-tsiny! Izay ilay politika aminy. Fotoana kosa anefa izao aloha, mba hanaovana lohalaharana ny any amin’ny tapany atsimo. Toa zary an-jorombala sy ankilabao hatrany izy tany alohaloha tany. Ny haintany sy ny hanoanana, na ny kere no hany mba nampalaza azy. Rariny sy hitsiny raha mahita rirany, ankehitriny. Tena tsy mbola nisy hatrizay ny mpitondra, mamafy vola tahaka izao ho an-dry zareo.
Mila mahay mandanjalanja anefa na izany aza! Tsy ny any atsimo ihany no i Madagasikara!

r.r

Partager sur: