Masoivohon’i Frantsa : Mandiso ny fisian’ny Frantsay mikasa hanakorontana

Lavin’ny masoivohon’i Frantsa amin’ny fomba ofisialy ny fiampangana miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera sosialy momba ny fidiran’i Frantsa amin’ny fikasana hanakorontana ny tany sy ny fanjakana eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovao avy amin-dry zareo ny faran’ny herinandro teo. Vaovao miely amin’izany ny hoe fisiana miaramila frantsay tafiditra amin’ny fikasana hamono ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrinirina Michaël. Diso izay tsaho izay, araka ny fampitam-baovaon’ny masoivoho frantsay. Ma­nen­tana ny rehetra mba haneho fahaiza-manavaka sy hifady ny fanaparitahana vaovao tsy marina ry zareo. Farany, mampametra-panontaniana ny amin’ny fiavian’ny tena sy ny anton’ireo mampiely izany vaovao izany, amin’ny fikasana mazava hanimba ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Frantsa.
Inona ny marina? Tsy fantatra hatramin’izao… Tsy mandiso na manamarina ny amin’izany ny eo anivon’ny fifidianana ny Fanavaozana ny Repoblika, araka ny fampitam-baovaon’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Fana­vaozana, ny faran’ny herinandro ihany. Vokatry ny nataon’ny mpanao gazety matihanina ny vaovao, na mitana andraikitra amin’ny maha mpanolotsaina ny filohan’ny Fana­vaozana azy aza namoaka ny vaovao. Misitraka fahaleovantena feno izy ary malalaka amin’ny fanaovany ny asany, tsy mifangaro amin’ny andraikitra ara-panjakana sahaniny. Na izany aza, mandeha ny fanadihadiana. Hanao ahoana? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: